TARANAKA MORA JONOINA !!!

Nampidirin'i hasinina | 16 Sep, 2009

taranaka mora jonoina ! mbola haningotra an'ialahy indray ny fandri-borera efa nahavoa itony firenena itony ... tsy mivandy, tsy misomonga izao tontolo izao ! ny lalàn'ny mahery, tsy maintsy manjaka raha mbola misy zava-miaina anankiroa monja ...; ny mahery dia izay manatombo: amin'ny tanjaka; amin'ny tetika; amin'ny fahaizana; ny harena; ny hatsaran-tarehy ...

mikiry ho velona sy hirakitra ny fahavelomany ny zava-miaina rehetra - hatramin'ny andriamanitra - ary izany dia amin'ny kizo tokana tsy misy fanovany: ny lalàn'ny mahery, na lalàn'ny fifanongonana: lalàn'ny hasahiana tohy lava

matetika, ady ambatravatra; mazàna, ady malefaka

milamaha hanosihosen'ny sasany an'ialahy; avy eo, miambezoa, mivavaha; minoa an'i jesosy mamonjy sy kristy ala olana, minoa ny lanitra ny tsoky loha sy poa-maso, dia izay rehetra tsy nahita mangirana tamin'ny sainy fa hahita kosa mazava lehibe 'mamirapiratra' any aorian'ny fahafatesana !

alahady anio - andron'i masoandro - mivoha ny fasana tsimialonjafy; andeha tsizy manao tsy omby aloha fa tera-tany maro no efa voakaraman'ny sasany handevina ao ny namany

ny ondry vaventy, narahin'ny sisa

firenena mahantra ! firenena mahonena ! iza no onena ?

hitahy anareo anie jehovah ka hampamirapiratra ny tavany aminareo fa izy no 'masoandro': 'tahaka' ilay nampitenenina hoe "izaho no fahazavan'izao tontolo izao" - mpanompo sampy !

kanjo nanditsoka azy ny setroky ny baomba nalefan'ny firenena kristianina, ny firenena mpiantoka misionera, ny firenena mpampiely baiboly: ilay bokin'angano sy arira aman-dovantsofin'ny firenena jiosy; salamon-dresy, fitomaniana; faminaniana loza

bokin'ny fahitana sandoka nanelohelo tanaty maso somampy ra noho ny herin'ireo 'karazan-drongony' fahizany; bokin'ny farasisam-pahalalana 'resy', notsindrohina tany anaty lakato, tany anaty kibory tranainy, tany ambanytanàna rava

bokin'ny "tantaram-pahagagana" lany tamingana, manangatra eny amin'ny mitataovovonan'ny jamba; bokin'ny andriamanitra folaka an-dantony ka tsy nitrangatranga intsony toy ny fanaony fahagola, ary ireo mpitondra fivavahana taranaky ny 'farisiana' (fariseo) sisa miebanebana amin'ny ankanjo mainty fisaonana sy fanesoana - na tsy mandidy izany aza

(hitohy)